|
|
|
|

Entry1  Fo mitohy
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Elementary words  3  fo, mitohy
Vocabulary  4  Literature: poems
Author  5  Rabearivelo Jean-Joseph
Full text 
6  Toa lisy maina, toa raozy malazo, 7  Misento fa ory sy manina anao, 8  Mariry tsy fantatra. Angaha voninkazo? 9  Asa, tsy fantatra hatramin'izao.
10  Miofo ny loko, malazo ny taho, 11  Toa zary bozaka, tsy lisy intsony. 12  Tsy hehy na tsiky fa feo mitalaho, 13  Toa rivo-baratra tsy mba mitony
14  Miova ho fatana izany masoandro, 15  Ny rivotra koa manjary mamono: 16  Izany no fiainana maizina antoandro 17  Manolo-poizina izay mila ronono
18  Ny lira madinika, mozikan'Edena: 19  Izany tsy re, izany tsy misy; 20  Tsaroana fa singany irery ny tena, 21  Tsaroana fa bozaka ilay tsy mba lisy.
22  Ry vorona ery! Ry rivo-mandalo! 23  Andeha mba ilazao ilay tiana sy tia 24  Fa ketraka hoe ka tena mimalo 25  Ilay tsy eo anilany lavitra aty.

Anagrams  26  Fo mitohy, hofitoim

Updated on 2025/07/29